<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Louis Bourgeois</author>
<hymn_number>253</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Avia, ry Mpanavotra.
 Tahio ny fandraisana
 Sakafo namboarinao
 Izao hatoninay izao.

[V2]
 Ireo zava-masina
 Aroso mba hohanina
 Ho famelana heloka,
 Ho aina sy ho tanjaka.

[V3]
 Tsaroanay ny dianao,
 Ny ra sy fijalianao,
 Ny nisoloanao anay,
 Ny nitsangananao indray.

[V4]
 Ny teninao natolotra,
 Ny ranao dia nalatsaka,
 Sakafo iombonanay,
 Ho tena sy fanahy iray.</lyrics>
<title>Avia, ry Mpanavotra FFPM253</title>
</song>